🌱🔥 Fampiofanana KMDT hanamafisana ny ady amin’ny afo tao Bevoay sy Ranomafana – Tolagnaro, Faritra Anôsy
EnvironnementLutte contre le feu


𝘛𝘰̂𝘭𝘢𝘨𝘯𝘢𝘳𝘰, 13 – 19 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2025 – Nisitraka fampiofanana avy amin’ny
#DREDDAnôsy (Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy) mahakasika ny 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝗮𝗹𝗮 ireo
#KMDT na 𝗞𝗼𝗺𝗶𝘁𝘆 𝗠𝗶𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗗𝗼𝗿𝗼 𝗧𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆 ao amin’ny kaominina 𝗕𝗲𝘃𝗼𝗮𝘆 𝘀𝘆 𝗥𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝗳𝗮𝗻𝗮 ao amin’ny 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗧𝗼̂𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼. Fokontany miisa 6 no nofanina, 𝗥𝗮𝗻𝗼𝗳𝗼𝗹𝗼, 𝗘𝗻𝗮𝗸𝗮𝘀𝗮, 𝗔𝗺𝗽𝗮𝗵𝗼 𝗮𝗿𝘆 𝗠𝗮𝘀𝗶𝗮𝗸𝗲𝗻𝗮, izay nahitana ny KMDT, ny Chef Fokontany ary ny solontenan’ny Benny tanàna. Fampahafantarana ny lalàna mifehy ny doro tanety sy ny doro ala, ny fomba atao isorohana ny afo ary ireo paikady tsy maintsy arahina rehefa miatrika ny famonoana afo no nifampizarana tamin’izany.

Ireto Fokontany nosafidiana ireto dia manodidina ny 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗕𝗲𝗮𝗺𝗽𝗶𝗻𝗴𝗮𝗿𝗮𝘁𝘀𝘆 avokoa. Natao indrindra hanamafisana ny fiarovana ity valanjavaboahary ity amin’ny afo izao fampiofanana izao, izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny
#DREDDAnôsy sy ny Tetikasa
#NITIDAE 

𝗡𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗼 𝗮𝗳𝗼 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 ny mponina amin’ny ady amin’ny afo ny hetsika izay natao.
Date de publication : 26 août 2025