๐ฉ๐ฎ๐น๐ฎ๐ป๐ท๐ฎ๐๐ฎ๐ฏ๐ผ๐ฎ๐ฟ๐ ๐๐ป๐ธ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ณ๐ฎ๐ป๐๐๐ถ๐ธ๐ฎ : ๐ฉ๐ผ๐ฎ๐ณ๐ฒ๐ต๐ ๐ป๐ ๐ฎ๐ณ๐ผ ๐๐ฎ๐ผ ๐ ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ. ๐ ๐ฏ๐ผ๐น๐ฎ ๐บ๐ถ๐๐ผ๐ต๐ ๐ธ๐ผ๐๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ผ๐ป๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ฎ๐ณ๐ผ ๐ฎ๐ผ ๐ ๐ฎ๐ฟ๐ผ๐ฎ๐ฏ๐ผ๐ฎ๐น๐.
Aires ProtรฉgรฉesEnvironnementLutte contre le feu

๐๐ฏ๐ฌ๐ข๐ณ๐ข๐ง๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข, 13 ๐ด๐ฆ๐ฑ๐ต๐ข๐ฎ๐ฃ๐ณ๐ข 2025

Toerana miisa 2 no nahitana tranganโafo ao aminโny valanjavaboary Ankarafantsika. Ny iray ao Maroaboaly ary ny faharoa dia ao Mahatazana.

Efa voafehy tanteraka androany 13 septambra 2025 ny afo tao Mahatazana.

Mbola mitohy kosa anefa ny famonoana ny afo ao Maroaboaly.


Mifanome tanana aminโny famonoana ny afo any an-toerana ny Fokonolona, ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (
#DIREDDBoenyBetsiboka), ny Madagascar National Parks (
#MNP) mpitantana ny valanjavaboahary ankarafantsika, ny mpanonjy voina avy any Mahajanga, ny Mpitandro ny filaminana ary ny Tetikasa RIR.

Mankahery hatrany ireo rehetra miatrika ny famonona ny famonona ny afo eny an-kianja.


Asaina hatrany isika hitoroka ireo mpandoro tanety sy mpandoro ala hahafahana manasazy azy ireo araka ny lalร na velona.


Entanina hatrany isika rehetra hitandrina aminโny fampiasana afo aminโizao fotoanโny maintany izao sao sanatria hitera-doza.

Raha mahita tranganโafo ianao, antsoy ny laharana maitso

955 hahafahana mandray fepetra haingana.
Date de publication : 15 septembre 2025