
Tontosa omaly Alatsinainy 16 jona 2025 ny fihaonana teo amin’ireo Loholon’i Madagasikara sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay tarihan’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta. Nanotrona ity fihaonana ity ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Andriamatoa Max Andonirina Fontaine.

Anisan’ireo fanontanina nitondran’Andriamatoa Minisitra fanazavana tamin’izany ny mahakasika ny fampiasana ny vola azo avy amin’ny varotra karbona, ny fanaraha-maso sy ny fangaraharahan’ny fitantanana ireo faritra arovana ary ny mahakasika ireo andramena nogiazan’ny fanjakana Malagasy.