Tetikasa Fambolen-kazo sy Fanabeazana Tontolo Iainana: Fiara-miasa eo amin’ny Fiangonana Katolika sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana
Aires ProtégéesEnvironnement


Tetikasa iarahan’ny 𝗙𝗶𝗮𝗻𝗴𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗞𝗮𝘁𝗼𝗹𝗶𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆
#MEDD ny tetikasa 𝗗𝗶𝗼𝘀𝗲𝘇𝘆 𝗺𝗮𝗶𝘁𝘀𝗼 izay hifantoka manokana amin’ny fanatanterahana 𝗳𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝗲𝗻-𝗸𝗮𝘇𝗼 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗯𝗲𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮.



Ao anatin’izao vanim-potoana fambolen-kazo izao dia miroso amin’ny fanatanterahana ny 𝗳𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝗲𝗻-𝗸𝗮𝘇𝗼 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗗𝗶𝗼𝘀𝗲𝘇𝗶𝗻’𝗔𝗻𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮. Velaran-tany 10ha no novolena zanakazo 7 000 tao 𝗠𝗼𝗻𝘁 𝗛𝗼𝗿𝗲̈𝗯 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔𝗻𝗶𝘃𝗼𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗔𝘃𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮 – 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗔𝗻𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗜𝗜 izay niarahana tamin’ireo mpino eo anivon’ny Diosezin’Antsiranana notarihan’ny Arsevekan’Antsiranana, Mgr. BENJAMIN Marc Ramaroson, ny
#DREDDDIANA, ny tompon’andraiki-panjakana eo anivon’ny Faritra sy ny eny ifotony ary ireo mpiara-miombon’antoka.
Date de publication : 20 février 2025