🌱🌊Nandray hetsika miavaka ny mponina ao 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗳𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼 – 𝗡𝗼𝘀𝘆 𝗕𝗲, manamorona ny 𝘃𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗟𝗼𝗸𝗼𝗯𝗲. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy tao an-toerana ny « 𝗠𝗮𝗶𝘀𝗼𝗻 𝗦𝗼𝗹𝗮𝗶𝗿𝗲 »💡✨️, tetikasa izay natao hampiroboroboana ny fampiasana ny 𝗮𝗻𝗴𝗼𝘃𝗼 𝗮𝘇𝗼 𝗵𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗶𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗼𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 sy hanamafisana ny fizakan-tenan’ny vehivavy eo anivon’ity tanàna ity.
🏡💡Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine no nitarika ny hetsika niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny ao Nosy Be. Ity fotodrafitrasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny 𝗠𝗘𝗗𝗗, 𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 𝗡𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹 𝗣𝗮𝗿𝗸𝘀 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗞𝗼𝗯𝗮𝗯𝘆.🌊
💡🌞Tamin’ny alalan’ny tohana nataon’ny 𝗢𝗡𝗚 𝗕𝗮𝗿𝗲𝗳𝗼𝗼𝘁 𝗖𝗼𝗹𝗹𝗲𝗴𝗲, dia anisan’ireo 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 nisitraka fampiofanana ho lasa « 𝗶𝗻𝗴𝗲́𝗻𝗶𝗲𝘂𝗿𝘀 𝘀𝗼𝗹𝗮𝗶𝗿𝗲𝘀 » ny solontenan’ny vehivavy avy ao Nosy Be. Ny fitsanganan’ity Maison Solaire ao Antafondro ity arak’izany dia sokajiana ho 𝗳𝗮𝗵𝗼𝗺𝗯𝗶𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗮𝘇𝗼 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 izany. Ireo vehivavy ireo dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampisongadinana ny anjara asan’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana maharitra eo anivon’ny Faritra.
Date de publication : 20 mars 2025

Suivre d'autres actualités