🌿𝟭𝟳 𝗳𝗲𝗯𝗿𝗼𝗮𝗿𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟱 – 𝗛𝗼̂𝘁𝗲𝗹 𝗖𝗮𝗿𝗹𝘁𝗼𝗻 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 – Nanatanteraka tatitra mahakasika ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena #COP ao anatin’ny Fifanarahan’i Rio ireo delegasiona nandray anjara tamin’izany izay notarihan’Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine.
🌳« 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿, 𝗽𝗮𝘆𝘀 𝗱’𝗮𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻𝘀 𝗲𝘁 𝗱𝗲 𝘀𝗼𝗹𝘂𝘁𝗶𝗼𝗻𝘀 », io no vina nentin’i Madagasikara niatrika ireo #COP ireo.🌿
➡️𝗖𝗢𝗣 𝟭𝟲 𝗖𝗗𝗕 𝗮̀ 𝗖𝗮𝗹𝗶, 𝗖𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗶𝗲 : Voasafidin’ny Filohan’ny #COP16 hitarika ny fifandresen-dahatra mahakasika ny “fanetsehana famatsiam-bola ho an’ny karazanjavamananaina” na “mobilisation des ressources financières pour la biodiversité” i Madagasikara sy Norvège. Toerena izay nanamafy ny fahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara sy nanamora ny adisisika manokana natao mahakasika fiarovana ny karazanjavamananaina eeto amintsika.
➡️𝗖𝗢𝗣 𝟮𝟵 𝗨𝗡𝗙𝗖𝗖𝗖 𝗮̀ 𝗕𝗮𝗸𝗼𝘂, 𝗔𝘇𝗲𝗿𝗯𝗮𝗶̈𝗱𝗷𝗮𝗻 : Nanamarika manokana ity fivoriambe #COP ity ny fitsanganan’ny G-Zéro izay ivondronan’ireo firenena 4 tsy mpandoto na “carbone négatif” ka anisan’izany i Madagasikara. Ny fisian’i Madagasikara ao anatin’ity vondrona vaovao eo anivon’ny Firenena Mikambana ity dia manamafy fa firenena vahaolana amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro i Madagasikara.
➡️𝗖𝗢𝗣 𝟭𝟲 𝗨𝗡𝗖𝗖𝗗 𝗮̀ 𝗥𝗶𝘆𝗮𝗱, 𝗔𝗿𝗮𝗯𝗶𝗲 𝗦𝗮𝗼𝘂𝗱𝗶𝘁𝗲 : Sambany nandritra ny 14 taona naha-mpikambana an’i Madagasikara amin’ity fifanarahana iraisam-pirenena ity no nanana “pavillon” isika izay nanamafy ny toeran’i Madagasikara sy nanamora ny fanatanterahana ireo adisisika maro isan-karazany. Anisan’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny SADC nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fametrahana ny « Grande Muraille Verte” aty amin’ny faritry ny SADC ihany koa i Madagasikara.
Date de publication : 19 février 2025

Suivre d'autres actualités