Nandritra ity hetsika ity no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny trano fonenan’ny DREDD Alaotra Mangoro nasiam-panavaozana, narahana fanolorana fitaovana : imprimante, GPS ary Sono mobile.
Ireo rehetra ireo no tanteraka dia vokatry ny tamberim-bidy azo avy amin’ny varotra karbona ao anatin’ny Fandaharanasa PRE-AA. Teo ihany koa ny fanolorana solontsaina sy moto avy amin’ny mpiara-miombon’antoka.
Niompana tamin’ny fanentanana amin’ny ady amin’ny fandotoana plastika ny hetsika fanentanana notanterahina tao amin’ny kaominina Antanandava – Distrikan’ Ambatondrazaka. Tanjona ny hisian’ny fiovam-pihetsiky ny tsirairay hahay hikajy ny tontolo iainana manoloana ny loza ateraky ny fako plastika.
Nisitraka fampitaovana dabilio miisa 40 ihany koa ny ZAP Antanandava izay vokatry ny tamberim-bidy avy amin’ny varotra karbona sy ny asa fiarovana ny ala ao amin’ny Faritra Arovana Zahamena.
Ireo hetsika rehetra ireo dia notarihan’ny tompon’andraiki-panjakana eo anivon’ny faritra, ny DREDD Alaotra-Mangoro, ny tanora mpianatra ary ireo mponina ao Antanandava.