📌𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 7 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2025
❌️🔥 Ho fanamafisana ny fiarovana ireo Valanjavaboary tantanin’ny Madagascar National Parks (#MNP) amin’ny afo, dia nanolotra sacs à eau miisa 368 ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD, androany 7 aogositra 2025.
✅️ Hanampy betsaka amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala amin’izao fotoana maintany izao ireto fitaovana ireto izay ho aparitaka amin’ny valanjavaboahary miisa 16.
🤝Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny #MEDD, ny Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar (#FAPBM) ary ny #MNP no nahafahana nanao izao fampitaovana izao, izay fanampin’ireo efa natolotra ny volana may 2025 teo, nahitana citernes, hipporoller, motopompes ary drones.
🌳Ny #MNP dia rantsa-mangaika eto anivon’ny Minisitera, ary mitantana valanjavaboahary miisa 43.
Date de publication : 8 août 2025

Suivre d'autres actualités