𝘚𝘢𝘮𝘣𝘢𝘷𝘢, 2–4 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025

Tontosa tao amin’ny Distrikan’i Sambava ny fihaonan’ny IB-E (Implementation Board élargi) ao anatin’ny tetikasa FMH – Fitantanana Maharitra Holovainjafy. Ity Tetikasa ity izay mampihatra ny Biodiverse Landscapes Fund (BLF) eto Madagasikara, dia mikendry ny hampihenana ny fandripahana ala sy ny fahasimban’ny tontolo iainana, indrindra amin’ny faritra arovana sy ny manodidina, ary mampiditra vahaolana mifototra amin’ny natiora hahafahan’ny fiaraha-monina misitraka tombontsoa maharitra.

Ny FMH dia paikady napetrakin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (
#MEDD) hampihenana ho 14 % ny tahan’ny entona mangeja hafanana mialohan’ny taona 2030, amin’ny alalan’ny fampitomboana ny velaran-tany rakotra ala sy ny ady amin’ny fandripahana ala. Nisy koa fitsidihana sy fanaraha-maso notanterahina tao amin’ny Faritra arovana Makirovana Tsihomanaomby (
#MT) hanamafisana ny tanjon’ny tetikasa.

Nandritra ny fihaonana dia nisy ny dinikas’asa momba ny Faritra Arovana
#MT, fitsidihana tanin-janakazo sy agroforesterie dynamique, fanentanana amin’ny fisorohana ny doro tanety sy doro ala, fizarana fitaovana famonoana afo, ary fanomezam-boninahitra ireo olom-pirenena nisongadina tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana.