Fanentanana sy Fampandraisana Andraikitra ho fiarovana ny Harena Voajanahary any Ambodibonara, Distrikan’i Mahanoro
Aires ProtégéesDéveloppement durableEnvironnement
Mifanome tanana manamafy ny fanentanana mivantana ny mponina eo anivon’ny kaominina sy ny Fokontany ny 𝗕𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗔𝗹𝗮 ao amin’ny 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗵𝗮𝗻𝗼𝗿𝗼 sy ny 𝗕𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮 ao amin’ny 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗱𝗶𝗯𝗼𝗻𝗮𝗿𝗮.
𝗙𝗮𝗻𝗮𝗯𝗲𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗷𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 no tanterahina amin’izany mba hahatsiaro tena ho tompon’andraikitra amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ny tsirairay.
Anisan’ny nivoitra tao anatin’izany ny 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝗲𝗻-𝗸𝗮𝘇𝗼 fa indrindra ny 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗮𝘀𝗼 azy ireny ary ny 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝗮𝗹𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆.
Vonona ny hifanome tanana amin’ny Ben’ny Ala ny Kaominina Ambodibonara amin’ny 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮- 𝗺𝗮𝘀𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗻-𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮, ary handray andraikitra manandrify azy ny Ben’ny tanàna raha toa ka misy ny fandikan-dalàna.