Fandrafetana sy Fandaniana ny Paikady Ady amin’ny Doro Ala sy Tanety: “Plan de Contingence Feux” ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana
BiodiversitéEnvironnementLutte contre le feu
𝘛𝘰𝘭𝘪𝘢𝘳𝘢, 06 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025
Tontosa tao 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 ny fampahafantarana sy fandaniana ny « 𝗣𝗹𝗮𝗻 𝗱𝗲 𝗖𝗼𝗻𝘁𝗶𝗻𝗴𝗲𝗻𝗰𝗲 𝗳𝗲𝘂𝘅 𝗥𝗲́𝗴𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹𝗲 » ho an’ny 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮. Paikady izay natao 𝗵𝗶𝘀𝗼𝗿𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮, 𝗵𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗵𝗶𝗮𝘁𝗿𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮 ny loza ateraky ny 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝗮𝗹𝗮.
Tanjona ny hampihenana ny loza mitatao vokatry ny doro tanety sy ny doro ala indrindra ny fiarovana ireo 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 eo anivon’ny faritra izay mitahiry harena voajanahary miavaka. Voafaritra ao anatin’ity plan de contingence feux régionale ity ihany koa fa 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗳𝗼 𝗮𝘃𝗼𝗸𝗼𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗶𝗿𝗮𝘆 ka ilaina ny fifanomezan—tanana hiadiana amin’ny afo.
Teboka lehibe misongadina ao anatin’ity paikady ity ny 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 amin’ireo minia mandoro tanety. Entanina arak’izany isika hitoroka ireo izay manao izany na hiantso ny 𝗹𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗶𝘁𝘀𝗼 𝟵𝟱𝟱
Nitarika ity atrikasa ity ny 𝗣𝗿𝗲𝗳𝗲𝗸𝘁𝗶𝗼𝗿𝗮𝗻’𝗶 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮, 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝗗𝗥𝗘𝗗𝗗 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝗕𝗡𝗚𝗥𝗖, ary nahitana ny fandraisan’anjaran’ny Distrika miisa 9 sy ireo Chef cantonnement 9 eo anivon’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny sampan-draharaha-panjakana isan-tsokajiny, ny mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina.