Fampiofanana ho an’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharanasa SANDWATCH sy KIT MAD’ErE ho Fiarovana ny Moron-dranomasina ao Morondava
Changement climatiqueEnvironnement
Anisan’ireo faritra mizaka ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetrandro ny faritra Menabe. Lasibatra ao anatin’izany ny moron-dranomasina izay efa velaran-tany maro no lasa natelin’ny ranomasina. Zava- dehibe ho an’ny Faritra arak’izany ny fiarovana ny morontsiraka amin’ny fiovan’ny toetrandro.
Nanatanteraka fampiofanana ho an’ireo mpanabe mahakasika ny fandaharanasa SANDWATCH sy ny fampiasana ny KIT MAD’ ErE» ny « CREE, COMNAT/ UNESCO » niaraka tamin’ny tetikasa RECOS/COI ny 25 – 28 Febroary 2025 teo tao Morondava.
Tanjona amin’ity fampiofanana ity ny fanamafisana ny fanentanana sy ny fanabezana mahakasika ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny moron-dranomasina.
Mpampianatra eny anivon’ny EPP sy CEG ireto nisitraka fampiofanana ireto hanamorana sy hanamafisana ny traikefan’izy ireo amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana ny tanora eo anivon’ny sekoly iandraiketany.
Nifanome tanana tamin’ny fanatontosana ny fampiofanana ny Prefektioran’i Morondava, ny DREDD Menabe, ny DREN Menabe, Cisco Morondava ary ny Louvain Coopération.
Taorian’ny fampiofanana dia nisy ny fanolorana KIT MAD’ErE ho an’ireo mpanabe ireo.