Fampiofanana ho Fiarovana ny Sahandriaka sy ny Ala amin’ny Doro: Fihetsiketsehana iarahan’ny KMS, Ben’ny Tanàna ary ny Fokontany ao Ambatondrazaka

𝘈𝘮𝘣𝘢𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘻𝘢𝘬𝘢, 26-29 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2025 / 02-05 𝘴𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025

Nisitraka 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 mahakasika ny 𝗳𝗶𝘀𝗼𝗿𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝗮𝗹𝗮 ny 𝗞𝗼𝗺𝗶𝘁𝘆 𝗠𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗦𝗮𝗵𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗸𝗮 (
#𝗞𝗠𝗦) miisa 𝟵𝟬, miaraka amin’ny 𝗕𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗦𝗲𝗳𝗼 𝗙𝗼𝗸𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆 𝟮𝟴 avy amin’ny fokontany miisa 11 sy kaominina miisa 4 ao amin’ny 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗔𝗺𝗯𝗮𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝘇𝗮𝗸𝗮 – Faritra Alaotra Mangoro.



Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiharian’ny mponina ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro izay mifantoka amin’ny fambolena sy ny fiompiana ny fiarovana ny sahandriaka sy ny ala satria ireo no miantoka ny fisian’ny rano amokaran’izy ireo sy miaro ny tanimbary tsy ho tototra. Antony nanatanterahana izao fampiofanana izao hiarovana ny sahandriaka tsy ho potiky ny doro tanety sy ny doro ala.

Fiaraha-miasa teo amin’ny 𝗙𝗶𝘁𝗮𝗹𝗲𝗮𝘃𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 (
#𝗗𝗥𝗘𝗗𝗗𝗔𝗹𝗮𝗼𝘁𝗿𝗮𝗠𝗮𝗻𝗴𝗼𝗿𝗼), ny 𝗗𝗥𝗔𝗘 𝗔𝗹𝗮𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗮𝗻𝗴𝗼𝗿𝗼, ny 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗥𝗶𝘇 𝗣𝗹𝘂𝘀 miaraka amin’ny 𝗖𝗼𝗻𝘀𝗲𝗿𝘃𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗿𝗻𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹 (
#CI) no nahafahana nanatanteraka izao fampiofanana izao.
Date de publication : 9 septembre 2025