Fampanantenana sy Fahadiovana: Fanadiovana ny “Lalana la Corniche” ao Antsiranana
Aires ProtégéesEnvironnement
Toerana mahafinaritra fitsangatsanganana sy fakana aina ao amin’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana I ny “lalana la Corniche”. Vokatry ny tsy fitandremana ataon’ireo mpitsidika sy ny mpandalo anefa dia lasa feno loto sy fako plastika teo amin’ity toerana ity.
Ny 7 martsa 2025 teo dia nifanome tanana ny DreddDIANA sy ny Kaominina Antsiranana nanadio teo amin’ny “lalana la Corniche” ka nanome endrika vaovao sy madio indray ity toerana ity. Narahana fanentanana sy fanabeazana ny mponina hahay hitandro hatrany ny fahadiovana sy ny soa iombonana ity hetsika ity.
Tombotsoan’ny rehetra ny miaina ao anaty tontolo iainana madio sy milamina ka tokony samy ho maodely sy tompon’andraikitra ao anatin’izany ny tsirairay.