🌳🌱Ny faritra Boeny dia iray amin’ireo faritra mamokatra karazana hazandrano maro isan-karazany. Izany dia vokatry ny fananany ala honko midadasika izay mirefy 64 000ha.
Miantoka ny fihariana sy ny velontenan’ny mponina maro ireo ala honko ireo indrindra ny vehivavy. Ao anatin’izany ny sehatry ny jono an-dranomasina, ny famokarana landy sy tantely avy amin’ny ala honko,sns…🌳
🌱🌿Ao anatin’ny fanamarihana ny andron’ny 8 martsa izay tanterahina ao Mahajanga dia niara namboly honko tamin’ireo mponina ao Boanamary Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filohan’ny Repoblika, androany 7 martsa 2025, notronin’Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine ary ireo tompon’andraikitra ambony vehivavy isan-tsokajiny ho fanarenana ny ala honko ao an-toerana.🌳🌿
🌳🌿Velaran-tany 2ha no novolena honko tamin’ity fotoana ity, izay nanamafisana ihany koa ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fiarovana ny ala honko satria dia maro dia maro ny tombontsoa entiny eo amin’ny fiainana andavanandro : toeram-ponenan’ny hazandrano, miaro ny sisin-dranomasina, mifoka ny entona karbona.🌱
Date de publication : 10 mars 2025

Suivre d'autres actualités