🌿👥️Sekoly anisan’ny efa manome lanja manokana ny fanabeazana ara-tontolo iainana ireo ankizy mpianatra ao aminy ny #EPPVohilava ao Sainte-Marie. Ao anatin’izao fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana izao dia nitsidika ity sekoly ity Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine nitondra fanentanana tamin’ireo ankizy ny maha-zava-dehibe ny fikajiana ny tontolo iainana indrindra ny ady amin’ny fandotoana plastika.
♻️🌳Zava-dehibe ary ataon’ny Ministeran’ny Tontolo iaianna sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD) laharam-pahamehana ny fanabeazana ny tanora sy ny ankizy hitia sy hikajy ny tontolo iainana ary hananan’izy ireo fihetsika ekolojika eny anivon’ny fiaraha-monina misy azy. Nisy arak’izany ny fanolorana boky fanabeazana ara-tontolo iainana sy fitaovana fanadiovana sy fitantanana ny fako ny EPP Vohilava ahafahan’ity sekoly ity manamafy ny fanabeazana ny ankizy mpianatra ao aminy.
Date de publication : 10 juin 2025

Suivre d'autres actualités