❌️🔥 Ny alatsinainy 04 aogositra 2025 teo dia nisy afo nirehitra tao anatin’ny faritra arovana 𝗠𝗲𝗻𝗮𝗯𝗲 𝗔𝗻𝘁𝗶𝗺𝗲𝗻𝗮 ka ny 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮, 𝘁𝗮𝗼 𝗔𝗻𝗸𝗲𝘁𝗿𝗲𝘃𝗼, 𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝗮𝘁𝗿𝗮, 𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮𝗼𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗞𝗶𝗯𝗼, no voakasiky ny afo.
⚠️ Sarotra ny fifehezana ny afo noho ny tsy fisian’ny lalana (accès) ahafahana mamonjy ny toerana misy ny firehetana sy ny fahalaviran’ny toerana misy rano.
✅️ 𝗩𝗼𝗮𝗳𝗲𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗳𝗼 𝗻𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗼𝗺𝗮𝗹𝘆 𝟬𝟳 𝗮𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟱, vokatry ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana teo amin’ny fokonolona, ny sampan-draharaham-panjakana ary ireo mpiara-miombon’antoka ao Menabe.
‼️Tsara marihina fa 𝘁𝘀𝘆 𝗻𝗮𝗵𝗶𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗔𝗹𝗹𝗲́𝗲 𝗱𝗲𝘀 𝗕𝗮𝗼𝗯𝗮𝗯𝘀 ‼️
📣𝗔𝗱𝘆 𝗶𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗳𝗼!!
Entanina hatrany isika rehetra samy hitandrina amin’ny fampiasana afo amin’izao fotoana maintany izao hisorohana ny loza mety haterak’izany.
☎️ Raha mahita tranga doro tanety na doro ala ianao, antsoy avy hatrany ny laharana maitso 955 hahafahana mandray fepetra haingana.
Date de publication : 8 août 2025

Suivre d'autres actualités