Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala ao amin’ny Distrikan’Anosibe An’Ala. Tamin’ny 22 hatramin’ny 28 Mey 2025, dia nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Ambatoharanana ny Lehiben’ny Sakelim-piadidiam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Ala Anosibe An’Ala.
🎯 Tanjon’ny fidinana ifotony ny hanamafisana ny fanentanana sy ny fiofanana ho an’ireo tantsaha momba ny fambolena manaja ny tontolo iainana, indrindra amin’ny fifehezana ny fampiasana afo amin’ny fambolena, izay mbola fomba mahazatra eny an-toerana.
✅ Ankoatra izany, dia:
🔹 Nampahafantarina ny lalàna momba ny doro tanety sy ny sazy ho an’ireo mpandika izany;
🔹 Notsindriana ny andraikitra tokony horaisin’ny tsirairay raha sendra misy tranga na afo;
🔹 Natsangana ny komity miady amin’ny doro tanety tamin’ireo Fokontany 8 mandrafitra ny Kaominina Ambatoharanana.
🌱 Nandritra ny fanentanana, dia niaky sy naneho fahavononana hiaro ny tontolo iainana sy hitandro ireo ala sisa tavela ny mponina sy ny tantsaha, izay resy lahatra tamin’ny lanjan’ny fambolena manaja ny tontolo iainana ary manaiky fa ny fambolena zanakazo no làlana maharitra ho amin’ny fanarenana.
🤝 Miray hina isika amin’ny ady amin’ny doro tanety, ho fiarovana ny harena voajanahary sy ho lovain-jafy ho an’ny taranaka! 🌍
Date de publication : 19 juin 2025

Suivre d'autres actualités