๐ŸŒฟ ๐˜•๐˜บ 23 ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ต๐˜ณ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ 31 ๐˜‘๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ข๐˜บ 2025 no notanterahina tany #Zimbabwe ny fihaonambe faha 15 (#COP15) an’ireo firenena mikambana ao amin’ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny faritra mando, anisanโ€™ireo firenena nandray anjara taminโ€™izany i Madagasikara.
๐ŸŒณ Nanomboka ny taona 1999 nonmpikambana feno tao anatin’ny Fifanarahana #RAMSAR i Madagasikara. Miisa 21 ny faritra mando voasokajy ho Faritra Ramsar eto amintsika, izay mitahiry karazanjavamananaina maro isan-karazany.
โ˜˜๏ธ Nivoitra nandritra ity COP15 ity fa antoky ny aina ny faritra mando. Ilaina hamafisina arakโ€™izany ny fiarovana sy ny fanarenana azy. Hampifandraisina amin’ireo fifanarahana iraisam-pirenena hafa toy ny karazanjavamananaina, ny fiovan’ny toetrandro ary ny fihangazanana ny mahakasika ny faritra mando ho fanomezan-danja bebe kokoa azy.
Nanome Toky ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka fa hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Fifanarahana RAMSAR aminโ€™ny fitantanana maharitra ny faritra mando.
Date de publication : 14 aoรปt 2025

Suivre d'autres actualitรฉs