» Nosy ho amin’ny ho avy tsy misy fandotoana plastika »
🌱Tontosa ny Alakamisy 05 Jona 2025 tao amin’ny CR IVATO CENTRE, DISTRIKA AMBOSITRA ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tontolo Iainana teto amin’ny Faritra Amoron’i Mania.
🌳 Lanonana roa sosona no notanterahina tamin’io fotoana io satria dia notokanana tamin’io ihany koa ny Espace Vert ao amin’ny Tanàna Mirindra NATIORA FKT Ivato Centre izay Tetik’asan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy. ( na Projet Ecovillage)
🌱Nahitana trano heva sy varotra fampiratiana ireo vokatra azo avy amin’ny fanodinana ny plastika ho pavé autobloquant izay notanterahin’ny ISTA ANKOROMBE, ny fanehoana ny voka-dratsin’ny fako plastika izay notanterahin’ny ekipan’ny DREDD AMM, ny fampiasana harona biolojika izay misolo ny pot plastique famokarana zana-kazo izay notanterahin’ny Profesora Henri, ny kilalaon-jaza vita amin’ny plastika izay notanterahin’ny Mpikambana amin’ny Tanàna Mirindra NATIORA Ivato Centre sy varotra fampiratiana ireo vokatra biolojika.
Izany dia narahina fanentanana ara-tontolo iainana.
🌱 Ny fankalazana dia natrehan’ireo olo-manan-kaja maro avy ato amin’ny Faritra Amoron’i Mania, ireo Talem-paritra maro ary ireo mpiara-miombon’antoka izay notarihin’ny SG ny Governoran’ny Faritra Amoron’i Mania.
Date de publication : 18 juin 2025

Suivre d'autres actualités