🌳🔥 Ala aro, afo lavina : Miara-miatrika ny doro tanety amin’ny alalan’ny PBE sy Dinan’i Vonizongo
BiodiversitéEnvironnementLutte contre le feu

Namory ny KMDT (Komity Miady amin’ny Doro Tanety) sy ireo sefo fokontany avy amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitromby sy Mahavelona, distrikan’Ankazobe ny teo anivon’ny
#DREDDAnalamanga ny 3 sy 4 septambra 2025.
Noresahina nandritra izany ny Plateformes Bois Énergie (
#PBE), izay heverina ho vahaolana amin’ny fahapotehan’ny ala sy rafitra hanamora ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena azo avy amin’ny ala. Amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra mazava sy maharitra, dia mampihena ny tsindry amin’ny ala sy manampy amin’ny fitantanana tompon’andraikitra ny PBE.

Nohamafisina ihany koa nandritra io fihaonana io ny ady amin’ny doro tanety. Naverina nampahatsiahivina ny Dinan’i Vonizongo, izay mametraka fitsipika hentitra sy sazy mazava manoloana ny fampiasana afo tsy ara-dalàna. Naseho fa mifameno ny fananganana ireo PBE sy ny ady amin’ny afo, satria samy manampy amin’ny fiarovana ny ala sy ny fiantohana ny fiveloman’ny mponina eny ifotony.


Fahavalo iombonana ny afo, ka andraikitry ny rehetra ny mitandrina sy mandray andraikitra hisorohana ny fihanaky ny doro tanety.
Date de publication : 8 septembre 2025