𝟱 𝗷𝗼𝗻𝗮 : 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮

“𝘕𝘰𝘴𝘺 𝘩𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘩𝘰𝘢𝘷𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘱𝘭𝘢𝘴𝘵𝘪𝘬𝘢”

Olontsotra miisa 20 no nisitraka fiofanana mahakasika ny famokarana arina ekolojika tao Sainte-Marie, nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana.

Zava-dehibe hoy Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine ny fanatanterahana izao fampiofanana izao ahafahana manapariaka ny fahaiza-manao amin’ny famokarana ny arina ekolojika sy hanamorana ny fanjifana azy.

Fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (
#MEDD) sy ny Madagascar Clean Cooking Initiative (
#MCCI) no nanatanterahana izao fampiofanana izao.

Hahafahan’ireo mpiofana mamokatra arina ekolojika araka ny fiofanana azony dia nisy ihany koa ny fampitaovana nomena azy ireo.
Date de publication : 10 juin 2025