๐ณ๐๐๐๐โ๐ ๐ด๐๐๐๐๐ค๐๐ง๐๐ซ๐
[๐๐๐๐-20 ๐๐๐๐๐จ๐๐ฉ๐๐ 2025]

Nisokatra taminโny fomba รดfisialy teto Yokohama, Japana androany, ny TICAD-9. Fihaonambe iraisampirenena ahitana ny fandraisanโanjaranโireo Filoham-panjakana sy Lehibenโny Governemanta, ary solontena ambony avy aminโireo firenena Afrikana sy Japoney. Kendrena aminโizany ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo aminโi Afrika sy i Japana, ho anโny fampandrosoana ny roa tonta.

Mandray anjara mavitrika aminโny TICAD-9 i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian sy ny delegasiaona izay tarihiny. Zava-dehibe ho anโny firenentsika ny fahafahana mampita ny vina sy tetikasa tafiditra ao anatinโny laharampahameham-pirenena apetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, mba ahafahana manatanteraka azy ireo miaraka aminโny mpiara-miombon’antoka sy ny orinasa tsy miankina, ho anโny fandrosoana maharitra.