Tontosa ny 10โ€“21 Jolay 2025 tao aminโ€™ny fokontany Ambahaka, Kalafotsy, ary Tsaratanteraka (CR Kalafotsy, Distrika Ikongo, Faritra Fitovinany) ny famolavolana fitaovam-pitantanana ho anโ€™ny harena voajanahary sy ala, entinโ€™ny VOI TSARATANTANA, TSARAMAINTSO, ary AVOTRA, ao anatinโ€™ny Tandavanala COFAV.

Novolavolaina ny:

  • Drafi-pitantanana sy Drafi-pananariana

  • Dinam-pitantanana

  • Bokinโ€™andraikitra sy Drafitrโ€™asa isan-taona

  • Famaritana sy fizarana ny faritra iandraiketanโ€™ny VOI

  • Famantarana ireo zavamananaina eo an-toerana

Nofaranana taminโ€™ny fivoriambe sy fankatoavana ofisialy ireo fitaovana ireo, miaraka aminโ€™ireo mpiara-miombon’antoka: DREDD, CEF, TEF, ONG NY TANINTSIKA, Ray aman-dreny Ampanjaka, Fokontany, Benโ€™ny Tanร na, ary ny Fokonolona.

Natao ihany koa ny fanentanana momba ny fitantanana maharitra, ady aminโ€™ny doro ala, fiovanโ€™ny toetrโ€™andro, sy ny fitrandrahana tsy ara-dalร na.

Io no dingana manan-danja alohanโ€™ny fanaovan-tsonia ny famindram-pitantanana aminโ€™ny fomba ofisialy.

Date de publication : 30 juillet 2025

Suivre d'autres actualitรฉs