❌️🔥𝗦𝗼𝗮𝗻𝗮𝗹𝗮, 𝗔𝗺𝗯𝗮𝘁𝗼𝗯𝗲 – 𝟭𝟭 𝗷𝗼𝗻𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟱 – Nanatanteraka fihaonana ireo solontena avy amin’ny minisitera isan-tsokajiny niara-nametraka 𝗽𝗮𝗶𝗸𝗮𝗱𝘆 𝗶𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗻𝘁𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘀𝗼𝗿𝗼𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝗮𝗹𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆. Efa ao anatin’ny vanim-potoana maintany isika izao, izay fotoana mampisy ny doro tanety sy ny doro ala.
➡️𝗦𝗮𝗺𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗼𝗿𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝘁𝗿𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗳𝗼 𝗮𝘃𝗼𝗸𝗼𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗶𝗿𝗮𝘆 ka ilaina ny fametrahana fandrindrana asa amin’ny fanentanana sy ny fisorohana rehetra izay atao sy ny fametrahana tondrozotra iraisana hahafahana mahazo fahombiazana.
✅️Ankoatra ireo departemanta ministerialy, dia voakasika amin’izao fametrahana paikady iombonana amin’ny ady amin’ny afo izao ihany koa ny firaisamonim-pirenena sy ireo mpitantana faritra arovana rehetra manerana ny Nosy.
Date de publication : 19 juin 2025

Suivre d'autres actualités