🌳 Maherin’ny 90% ny taham-pahombiazan’ny fambolena honko tao amin’ny Baie de Laloza – Faritra Sofia izay notanterahin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Sofia #DREDDSofia sy ny #Bôndy ary ireo mponina eny ifotony. Tao amin’ny kaominina Befotaka – distrikan’Analalava sy ny kaominina Ankerika – distrikan’Antsohihy no nanatanterahana ireto fambolena honko ireto ny volana desambra 2024 sy ny volana martsa 2025 teo ary nandray anjara feno tamin’izany ireo mponina manodina ity toerana ity, izay mpanjono ny ankamaroany.
🌱Resy lahatra amin’ny fiarovana ny ala honko ny mponina satria dia manatsara ny velontena sy ny fiharian’izy ireo ny fiverenan’ny ala honko.
Date de publication : 27 août 2025

Suivre d'autres actualités