📌𝘚𝘰𝘢𝘯𝘢𝘭𝘢-𝘈𝘮𝘣𝘢𝘵𝘰𝘣𝘦, 12 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2025– Notanterahina tao Soanala-Ambatobe ny fivorian’ny 𝗖𝗼𝗺𝗺𝗶𝘀𝘀𝗶𝗼𝗻 𝗱𝘂 𝗦𝘆𝘀𝘁𝗲̀𝗺𝗲 𝗱𝗲𝘀 𝗔𝗶𝗿𝗲𝘀 𝗣𝗿𝗼𝘁𝗲́𝗴𝗲́𝗲𝘀 𝗱𝗲 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 (𝗖𝗼𝗺𝗺𝗶𝘀𝘀𝗶𝗼𝗻 𝗦𝗔𝗣𝗠), natokana hametrahana ny 𝗗𝗿𝗮𝗳𝗶𝗺-𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗼𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 ho an’ireo faritra arovana eto Madagasikara (Cadre de Gestion Environnementale et Sociale – #CGES).🌳
🌿Ireo faritra arovana napetraka manerana ny Nosy dia natao indrindra hiarovana ireo harena voajanahary tsy manam-paharoa eto amintsika, sy hampandrosoana ny faritra manodidina azy. Ity CGES vaovao ity dia mikendry ny hampifandanja ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra eny ifotony, amin’ny alalan’ny fametrahana fenitra ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy mazava sy fitantanana mirindra.
🌳Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity ireo solontena avy amin’ny ministera, ny mpitantana faritra arovana, ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, ary ny mpiara-miombon’antoka toa ny Tetikasa MIRARI (ESSA-Forêts), ny FAPBM, ny ONE, ny MNP, ny Natural Justice, ary ny USAID.
Date de publication : 14 août 2025

Suivre d'autres actualités