Mivoatra ho amin’ny tsara kokoa ny fifandrasan’ Madagasikara sy i Japana

Mivoatra ho amin’ny tsara kokoa ny fifandrasan’ Madagasikara sy i Japana

✅ Noraisin-dRamatoa Minisitra VINA Marie -Orléa androany teto Antsahavola ny Masoivoho vaovaon’i Japana miasa eto Madagasikara, Andriamatoa ABE Koji. Ny fikatsahana fiaraha-miasa hanatsarana hatrany ny fikajiana ny tontolo iainana no venti-dresaky ny roa tonta.

✅ Tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny JICA amin’ny tetikasa PRODAIRE, misehatra amin’ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny sahandriaka amin’ny faritra Alaotra Mangoro.

✅ Noresahin-dRamatoa VINA Marie-Orléa sy Andriamatoa ABE Koji ihany koa ny hanitarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanamafisana fambolen-kazo, ny ady amin’ny doro tanety ary ny fanabeazana ara-tontolo iainana.

✅ Notsindriana tao anatin’izany ny fanamafisana ny fampiasana ny teknolojia vaovao toy ny « drône » amin’ny fanatanterahana fambolen-kazo midadasika sy ny fampitaovana entina miady sy miatrika ny doro tanety ho fanatanterahana ny Velirano faha 10 ny Filohan’ny Repoblika.

✅ Zava-dehibe efa natsidiky ny Masoivohon’i Japana sahady ihany koa ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny firenena roa tonta ka handinihana ny handefasan’izy ireo mpilatsaka an-tsitrapo Japoney hisehatra manokana amin’ny tontolo iainana eto Madagasikara.

✅ Manome vahana ny fambolena, ny fahasalamana ,ny fanabeazana moa ny endrika fiaraha -miasa misy eo amin’i Madagasikara sy i Japana izay mifototra tanteraka amin’ny Tontolo Iainana Lovainjafy.

Evenements

Thématiques
<