Ny taona 2024 ny DREDD Atsinanana no nanomboka namelona indray ireo kianja maitso eto Toamasina.
Hita nanomboka teo fa nanatsara ny endriky ny tanàna izy ireny ary nitondra tombon-tsoa ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamana. Maro amintsika ohatra ny miala sasatra na manao fanatanjahan-tena manodidina ireny kianja maitso ireny. Lasa toerana nahasarika mpizaha-tany sy fifaneraseran’ny mponina ihany koa izy ireny.
Ny fahitana izany indrindra no mbola nanosika Anay nanatsara sy nanamaitso ny manodidina ny CJST sy AMBALAMANASY izay vavahady idirana eto Toamasina ka mendrika loatra raha natsaraina niaraka tamin’ny Fokontany Salazamay.
Mampiavaka ity farany ny fahitana ireo takela-by maneho hafatra ara-tontolo iainana anabeazana sy anentanana ny vahoakan’i Toamasina sy ireo mpitsidika mba itazomana ny fahadiovan’ny tanàna.
Tonga nitsidika ireo kianja maitso ireo Andriamatoa Goverinoran’ny Faritra Atsinanana Mpisolo Toerana sy ny Ben’ny tanànan’i Toamasina.
Manasa anao ihany koa itsidika ireo toerana vaovao ireo indray ary hamaky ireo hafatra tsotra nomanin’ny ekipan’ny DREDD Atsinanana ho anao.
Date de publication : 19 juin 2025

Suivre d'autres actualités