NIAMPY 30 NY ISAN’IREO MPIANALA AFAKA MIASA AVY HATRANY

NIAMPY 30 NY ISAN’IREO MPIANALA AFAKA MIASA AVY HATRANY

🌳 Raha tsiahivina dia dimy taona izay no nanapakevitra ny hanokatra indray ny ivontoeram-panofanana teknisianin’ny ala « #CNFTF » eto anivon’ny #MEDD ny fanjakana hafahana manampy isa ireo #mpianala manam-pahazaina manokana amin’ny fiarovana sy fitantanana ny harena voajanaharintsika. Fanambin’ny MEDD ny fampitomboana isa ireo mpianala hafahana manatratra ny “vina Madagasikara rakotr’ala” ka tafiditra ao anatin’ny paikady fanatanterahana izany ny fanokafana indray ny CNFTF nanomboka ny taona 2017.

☘️ Mpianatra miisa 30 avy amin’ny andiany “#MIRAY” niofana nandritra ny roa taona tao amin’ny CNFTF Angavokely no navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly hanampy isa ireo mpianala efa am-perinasa ary notolorana ny mari-pahaizana “BTS au métier de technicien forestier”. Tsiahiavina fa ny 100% n’ireo andiany voalohany dia efa amperinasa avokoa.

👉Nitsodrano azy ireo Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa hahefa be amin’ny andraikitra eo anivon’ny tontolo iainana izay ho sahanin’izy ireo ho fanatanterahana ny Velirano 10 : Fitantanana maharitra ny harena voajanahary.

Evenements

Thématiques
<