FIARAHA-MIASAN’NY MEDD SY NY FADINTSERANANA : SARONA TAO TOAMASINA NY « BATTERIES » EFA NIASA MIISA 430 SAIKA HO AMPIDIRINA AN-TSOKOSOKO ETO MADAGASIKARA

FIARAHA-MIASAN’NY MEDD SY NY FADINTSERANANA : SARONA TAO TOAMASINA NY « BATTERIES » EFA NIASA MIISA 430 SAIKA HO AMPIDIRINA AN-TSOKOSOKO ETO MADAGASIKARA

🔴Fako tsy mety levona ary tena manimba Tontolo iainana ny ”batteries” efa niasa toa ireny fampiasa amin’ny fiarakodia ireny noho ireo akora simika ao aminy toy ny asidra sy ny firaka.

👉Raran’ny Lalàna arak’izany ny fampidirana ireny batterie efa niasa ireny eto Madagasikara araka ny Didim-panjakana laharana faha 2012-753 tamin’ny 07 aogositra 2012 sy ny Didim-panjakana laharana faha 2018-1145 tamin’ny 05 septembre 2018.

✅️Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiasan’ny fadintseranana sy ny DREDD Atsinanana dia sarona tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina androany 05 jolay 2022 ny batterie miisa 430 saika ho ampidirina an-tsokosoko eto amintsika.

▶️Nogiazana avy hatrany ireto entana ireto ary didian’ny Lalàna ny tompon’ny entana hamerina izany any amin’ny firenena niaviany ary ny tompon’ny entana no miantoka ny fandaniana rehetra amin’izany.

Evenements

Thématiques
<