Mafy orina ary tsy misy tomika ny fiaraha -miasan’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, sy i Frantsa momba ny Fikajiana ny Tontolo Iainana mba ho lovainjafy.
Ny alakamisy teo, nandritra ny fihaonan’ny Minisitra VINA Marie-Orléa sy ny Masoivohon’i Frantsa Andriamatoa GUILLOIS Arnaud, dia efa nanatsidika ny fikatsahana vahaolana amin’ny ady amin’ny afo ny roa tonta. Ny fametrahana paikady , indrindra amin’ny fiarovana ireo Ala sy Faritra Arovana, amin’ny dorotanety sy doroala no isan’ireo venti-dresaka.
Ankoatra izany dia mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny fiarovana ny rohivoahary, ny harena voajanahary an-dranomasina sy an-tanety ary ny fikaroham-bahaolana amin’ny fako plastika.
Hifanampy amin’i Madagasikara amin’ny fahafahana misitraka ireo fanamby voafaritra nandritra ireo fihaonana an-tampony
#COP27 ny fiovan’ny toetrandro sy ny
#COP15 ny karazanjavamananaina ihany koa i Frantsa.