“MAMBOLY ZANAKAZO isika fa TSY MANDEVINA ZANAKAZO”

Nidina ifotony nankahery sy nanome toromarika @ fandrosoan’ny famokarana ny zanakazo Ramatoa Ministra VINA Marie-Orléa. Amin’ity taona ity dia natao manakaiky ny vahoaka ireo tanin-janakazo ireo, izay ahitantsika karazan-janakazo maro toy ny hazo fihinam-boa, ny hazo zanatany ary ny hazo fandrehitra. Manamora ihany koa ny fiarovana sy ny fikolokoloana azy ny fametrahana azy ireo eny ifotony ary mamaly ny filanan’ny tsirairay.


Raiso maimaim-poana eny anivon’ny biraon’ny DREDD akaiky anao ny anjara zanakazo ho volenao.
Hanampy anao amin’ny fanatanterahana izany ireo teknisianina, @ fampahalalana ireo fenitra sy fomba hampahomby ny fambolena araky ny toerana sy ny karazana zanakazo ilainao.
MADAGASIKARA RAKOTR’ALA NO TANJONA