MANAKARA BE : NOTOKANANA NY « BRISE LAME » MIREFY 210 METATRA HIAROVANA NY TANANAN’I MANAKARA

MANAKARA BE : NOTOKANANA NY « BRISE LAME » MIREFY 210 METATRA HIAROVANA NY TANANAN’I MANAKARA

☘️ Laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny fiarovana ny mponina sy ny tanàna amin’ny loza voajanahary ateraky ny fiovan’ny toetrandro. Fotodrafitrasa lehibe miisa telo naorina ao Manakara Be sy Ampilao izay notanterahin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy no notokanana niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany 28 novambra izay nahitana Brise lame mirefy 210m manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ho fiarovana ny tananan’i Manakara sy ireo mponina manamorona ny sisin-dranomasina amin’ny fiakaran’ny ranomasina indrindra rehefa misy rivodoza. Nohatsaraina ihany koa ny endriky ny morontsiraka ao Manakara Be ka nametrahana zaridaina maitso antsoina hoe « jardin d’amour », ary nohavaozina ny arabe amin’ny morondranomasin’i Manakara Be nampiarahina amin’ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

✅️ Ity fotodrafitrasa « brise lame » izay napetraka ity dia efa niaro ny tananan’i Manakara nandritra ny fandalovan’ny rivodoza farany teo tao Manakara.

Evenements

Thématiques
<