Nifanome tanana nanao ”rebouchage de pots plastiques ” tamin’ireo mpianatry ny oniversiten’i Mahajanga ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Boeny-Betsiboka ny 18 Novambra teo.
Karazan-janakazo 12 000 isa mahery no vita nandritra izany, toy ny Mahabibo, Felimorongo, Kininina sy Bonara mamy ary Bonara Gasy.
Tanjona ny hamokarana zanakazo sy hanomanana sahady ny tanin-janakazo hahafahana mandrakotra ny Faritra.