COP 27 – NANDROSO TETIKASA FITEHIRIZANA RANO TEO ANIVON’NY BANKY AIIB I MADAGASIKARA HIATREHANA NY FIOVAN’NY TOETRANDRO

COP 27 – NANDROSO TETIKASA FITEHIRIZANA RANO TEO ANIVON’NY BANKY AIIB I MADAGASIKARA HIATREHANA NY FIOVAN’NY TOETRANDRO

☘️ Nihaona tamin’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Asian Infrastructure Investement Bank (AIIB) ny delegasiona malagasy nahitana an’Andriamatoa Mandimbisoa Kléoni, Tale Jeneralin’ny Fidiovana sy ny Fanadiovana eo anivon’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana ary Fidiovana (MEAH), Andriamatoa ANDRIAVELOJAONA NIRINA Luciano Elhy De Princy, Tale Jeneralin’ny ANDEA, ary Ramatoa ANDRIANAVOHERY Florence, Tale ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny 12 novambra teo tao Sharm El-Sheikh. Noresahana manokana nandritra ity fihaonana ity ny fandrosoan’ny tetikasa mahakasika ny angovo sy fitaterana izay iarahan’i Madagasikara amin’ny banky AIIB.

🌱 Ankoatr’izay dia nandroso tetikasa vaovao mahakasika ny fametrahana toha-drano lehibe aty Madagasikara ihany koa ny MEAH hahafahana mitahiry ny ranon’orana mba tsy ho very fotsiny any an-dranomasina.

✅️ Ny sehatry ny rano dia isan’ny mizaka ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetrandro ka ilaina ny fametrahana fotodrafitrana fitahirizana ny ranon’orana hiatrehana ny vanim-potoan’ny maintany eto amintsika. Tafiditra indrindra ao anatin’ny sehatr’asa vatsian’ny banky AIIB ny sehatry ny rano, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fambolena, ny fitaterana ary ny angovo.

Evenements

Thématiques
<