COP 27 : NY FIKAMBANANA GREEN N’KOOL NO NANDROMBAKA NY LAHARANA FAHA-2 TAMIN’NY FIFANINANANA « PRIX DES SOLUTIONS ET INITIATIVES INNOVANTES DES JEUNES FRANCOPHONES A LA COP 27 »

COP 27 : NY FIKAMBANANA GREEN N’KOOL NO NANDROMBAKA NY LAHARANA FAHA-2 TAMIN’NY FIFANINANANA « PRIX DES SOLUTIONS ET INITIATIVES INNOVANTES DES JEUNES FRANCOPHONES A LA COP 27 »

☘️Ny fikambanana #Green N’Kool izay tarihan’i Marie Christina Kolo sy Rajonaina Kevin Andriamasinavalona avy eto Madagasikara no nahazo ny laharana faha 2 tamin’ny fifaninanana « Prix des solutions et initiatives innovantes des jeunes francophones à la #COP 27 » izay nokarakarain’ny OIF tamin’ity COP 27 ity. Tetikasa « Alt soap », fanodinana menaka sakafo izay efa tsy ampiasaina intsony ho lasa savony fampiasa ao an-tokatrano no naroson’izy ireo tamin’izany ka nahazoan’izy ireo izao fandresena izao.

✅️Nandritra ny fanamarihana ny Youth Day tato anaty ny COP27 omaly 10 novambra no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitranana azon’izy ireo izay mitentina 2000 Euro tao amin’ny pavillon de la francophonie. Nanotrona ity lanonana ofisialy ity ny Filohan’ny Antenimierandoholona Andriamatoa Herimanana RAZAFIMAHEFA, Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, ny Loholona NDREMANJARY Jean André, ireo tompon’Andraikitra maro avy eo anivon’ny OIF ary ireo delegasiona malagasy eto anivon’ny COP 27.

Evenements

Thématiques
<