COP 27 : ISAN’IREO FIRENENA 26 HISITRAKA NY ANDIANY VOALOHANY AMIN’NY FAMATSIAM-BOLA SOFF I MADAGASIKARA

COP 27 : ISAN’IREO FIRENENA 26 HISITRAKA NY ANDIANY VOALOHANY AMIN’NY FAMATSIAM-BOLA SOFF I MADAGASIKARA

☘️ Nifantoka tamin’ny famatsiambola hafahana misitraka ireo fitaovana fitiliana ny toetr’andro na stations d’observations météorologiques ny lahadinika « side events » teto anivon’ny COP 27 ny 09 sy 10 novambra ary nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny alalan’ny Tale Jeneralin’ny Foibe Famantarana Toetr’andro Ramatoa RAHOLIJAO Nirivololona.

☘️  Tao amin’ny Nordic Pavillon no nanatanterahana ny lahadinika voalohany izay nitondra ny lohahevitra « Strengthening the data fondation for Effective Climate finance- The Systematic Observations Fonding Facility – COP 27 ary tao amin’ny world bank group pavillon ny lohahevitra « closing the weather and climate data gap for effective économic décision making ».

👉Voasafidy ho anisan’ireo firenena miisa 26 hisitraka ny andiany voalohany amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny SOFF na Systematic Observations Fonding Facility i Madagasikara. Famatsiam-bola izay natokana hisitrahana sy hanatsarana ireo fitaovam-pitiliana mahakasika ny toetry ny andro hafahana mamoaka ireo refy sy antontan’isa maripototra isan-karazany entina miatrika sy miady amin’ny fiovan’ny toetrandro, toy ny fiakaran’ny hafanana, ny rivodoza, …

Niatrika izao lahadinika izao ihany koa ny Minisitry ny Toekarena avy amin’ireo firenena mpamatsy vola ny SOFF izay ahitana an’i Autriche, Norvège, Irlande, Etats Unis d’Amérique, Pays-bas ary ireo mpamatsy vola toa an’ny FMI, ny Banque Mondiale ary ny OMM.

Evenements

Thématiques
<