Fihaonan-dRamatoa Minisitra sy ny Masoivohon’i Inde teto Madagasikara

Fihaonan-dRamatoa Minisitra sy ny Masoivohon’i Inde teto Madagasikara

Tonga nihaona tamin’dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa ny Masoivohon’i Inde eto Madagasikara Andriamatoa Abhay Kumar, ny 01 aogositra 2022, nanamafy ny fahavononan’ny firenena Indianina hanohy ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana.

✅️Sehatr’asa maro no efa niarahan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny Masoivohon’i Inde. Ho hamafisina ao anatin’izany ny fametrahana tetikasa mahakasika ny tontolo iainana mifantoka amin’ireo soridalana fototra napetraky ny Ministera ho laharam-pahamehana sy ny fifampizarana traikefa amin’ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana.

Evenements

Thématiques
<