ANTSALOVA : TRA-TEHAKA NY OLONA MIISA TELO MPITRANDRAKA VOAMBOANA AN-TSOKOSOKO

ANTSALOVA : TRA-TEHAKA NY OLONA MIISA TELO MPITRANDRAKA VOAMBOANA AN-TSOKOSOKO

▶️Tra-tehaky ny Rantsa-mangaikan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao amin’ny Faritra Melaky (DREDD MELAKY) tao an-tananan’Antsalova ny harivan’ny 25 jona teo ny olona miisa telo nitondra voamboana iray sarety izay vao avy notapahana tany anaty ala.

✅️Vokatry ny fampandrenesana avy amin’ny olona tsara sitrapo izay saro-piaro amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny ala no nanampy tamin’ny fisamborana azy ireo.

Marihina fa ireto olona tratra ireto dia tafiditra ao anatin’ny tambazotra mpamatsy hazo voamboana ao amin’ny Faritra Melaky efa fotoana ela ka izao tratran’ny velapandrika napetraky ny Ministera izao.

▶️Ankoatr’ireo olona telo voasambotra dia misy olom-boafidy teo aloha ahiana ho voarohirohy amin’izao raharaha izao ka andrasana ny vokatry ny fanadihadiana izay tanterahina any an-toerana.

✅️Aorian’ny fanadihadiana dia hatolotra ny fitsarana izy telo mirahalahy ireto sy ireo rehetra izay voarohirohy ao anatin’ity tambazotra mpitrandraka hazo sarobidy ity ary tsy maintsy hiharan’ny sazy mifandraika amin’ny heloka nataony ho fampiharana ny politika « tolérance zéro ».

🔴Voasokajy ho isan’ny hazo sarobidy ny voamboana izay raran’ny lalàna ny fitrandrahana azy eto Madagasikara.

Ankasitrahina hatrany ny fanomezam-baovao avy amintsika rehetra hahafahana manatratra ireo mpitrandraka an-tsokosoko ny harena voajanahary.

Evenements

Thématiques
<