31 MAY : ANDRO MANERAN-TANY TSY IFOHANA SIGARA SY TSY IHINANANA PARAKY

31 MAY : ANDRO MANERAN-TANY TSY IFOHANA SIGARA SY TSY IHINANANA PARAKY

❌️« Sigara sy paraky, loza mitatao ho an’ny tontolo iainantsika »

Io no lohahevitry ny fankalazana tamin’ity 2022 ity izay niompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

▶️Loza mitatao amin’ny tontolo iainana ny famokarana sigara sy paraky satria dia mahatratra 3,5 tapitrisa hekitara isan-taona ny tany simba manerana izao tontolo izao vokatry ny fanaovana tavy hambolena paraky . Maro ny hazo tapaka sy ny ala simba vokatr’izany izay manimba ny tontolo iainana.

▶️Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalamana ihany koa ny fifohana sigara sy fihinanana paraky satria dia miisa 8 300 isan-taona ny olona maty eto Madagasikara vokatr’izany.

✅️Ho fanamarihana ity andro ity dia nisy ny hetsika fanentanana amin’ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky notanterahina manoloana ny CHUJRA Ampefiloha izay nandraisan’ny MEDD anjara.

         

Evenements

Thématiques
<