FIM ANDIANY FAHA 16 : NOMENA LANJA NY LOHARANON’ANGOVO MAITSO SY NY VOKATRA AZO AVY AMIN’NY FANODINANA FAKO

FIM ANDIANY FAHA 16 : NOMENA LANJA NY LOHARANON’ANGOVO MAITSO SY NY VOKATRA AZO AVY AMIN’NY FANODINANA FAKO

▶️Nanomboka androany ary haharitra 4 andro ny FIM andiany faha-16. Toy ny tamin’ny FIM andiany faha 15 dia nomena sehatra ireo mpamokatra loharanon’angovo azo asolo ny arina sy ny kitay ary nosokafana kokoa izany tamin’ity taona 2022 ity satria dia mampiranty ny voka-pikarohany ao anatin’ny habaka « go green » ihany koa ireo mpamokatra akora azo avy amin’ny fanodinana fako.

✅Voka-pikarohana mitondra amin’ny famokarana akora biolojika no aranty mandritra ity FIM andiany faha 16 ity mba ahafahantsika miala tsikelikely amin’ny fampiasana hazo sy manodina ny fako.

👉Vina napetraky ny MEDD ny hampiroborobo ireo loharanon’angovo ireo, tanteraka izany ankehitriny vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sady mamporisika rahateo ny fandraisan’andraikitry ny orinasa amin’ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina.

🟢Ny Asabotsy 21 may manomboka amin’ny 2 ora tolakandro dia hisy famelabelaran-kevitra mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana ho tanterahina ao amin’ny Espace Conférence zone Forello Expo Tanjombato, izay anasana ny fandraisan’anjarantsika rehetra.

Evenements

Thématiques
<