FOIRE INTERNATIONALE DE MADAGASCAR (FIM) ANDIANY FAHA 16 : ASONGADINA IREO LOHARANON’ANGOVO MIARO NY TONTOLO IAINANA

FOIRE INTERNATIONALE DE MADAGASCAR (FIM) ANDIANY FAHA 16 : ASONGADINA IREO LOHARANON’ANGOVO MIARO NY TONTOLO IAINANA

▶️ Tanterahina manomboka rahampitso 19 – 22 may 2022 eny amin’ny Zone Forello Expo Tanjombato ny FIM andiany faha 16.

🌳 Toy ny tamin’ny andiany farany teo dia mandray anjara ao anatin’izany ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ireo mpisehatra maro ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fampivoarana ny sehatry ny angovo madio, ny fanodinana ny fako,…

▶️ Mpandray anjara maherin’ny 28 no hampiranty ny voka-pikarohana nataony mahakasika ny fampiasana angovo madio sy miaro ny tontolo iainana mandritra ity FIM andiany faha 16 ity izay ho sokafana manomboka rahampitso 19 may 2022.

👉Ny Asabotsy 21 may manomboka amin’ny 2 ora tolakandro dia hisy famelabelaran-kevitra mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana ho tanterahina eny amin’ny Espace Conférence zone Forello Expo Tanjombato, izay anasana ny fandraisan’anjarantsika rehetra.

Evenements

Thématiques
<