Nihaona tamin’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy VINA Marie-Orléa ny Solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara, Andriamatoa Jean François Basse ny 05 mai 2022.
Ny fanamafisana sy fanomezana lanja bebe kokoa ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny diplomasia maitso sy ny toekarena maitso ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro no hifantohan’ny fiaraha-miasa hiantohana ny hoavin’ny ankizy malagasy hiaina ao anaty tontolo iainana mampiadana.