60 taona izao no nisian’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Japon izay nisandrahaka tamina sehatr’asa maro isan-karazany toy ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fambolena, ny fananganana fotodrafitrasa ary ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.
Eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia nifantoka bebe kokoa amin’ny fambolen-kazo ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ho fanatanterahana ny vina Madagasikara rakotr’ala.
Nihaona tamin’dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, ny 5 mai 2022 teo, ny masoivohon’i Japon eto Madagasikara Andriamatoa Higuchi Yoshihiro nanamafy ny fanohanan’i Japon an’i Madagasikara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Nampitain’dRamatoa Minisitra nandritra izao fihaonana izao ny fanirian’ny Ministera ny hisokafan’ny fiaraha-miasa bebe kokoa amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala ankoatra ny fanamafisana ny fambolen-kazo.