Ao amin’ny Distrikan’Ankazobe no ahitana sombin’ala voajanahary arovana akaiky indrindra ny Faritra Analamanga izay mitahiry karazan-javaboahary maro isan-karazany. Ankoatr’ireo faritra arovana ireo dia manana saham-pambolen-kazo midadasika ihany koa ny Distrikan’Ankazobe ao Firarazana izay nanatanterahana fambolen-kazo nanomboka ny taona 2019.
Ho fiarovana ireo toeram-pambolen-kazo sy Faritra arovana amin’ny doro tanety sy ny doro ala dia misy ny fisorohana izay tsy maintsy atao. Ka ankoatra ireo fanentanana amin’ny amin’ny voka-dratsin’ny doro tanety dia nametraka aro afo tao amin’ny saham-pambolen-kazo ao Firarazana sy tao amin’ny Faritra arovana Ankafobe ny MEDD notarihin’dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa niaraka tamin’ireo fokonolona eny an-toerana, ny vondron’olona ifotony ary ireo mpitantana ny faritra arovana ny zoma 29 aprily 2022 teo.
Manodidina ny 50 km ny aro afo ho apetraka ao amin’ny toeram-pambolen-kazo ao Firarazana ary tafiditra ao anatin’izany ity notanterahina ity.
Mirefy 10 ka hatramin’ny 20 metatra ny sakan’ny aro afo izay apetraka mba azahoana misakana ny afo raha sanatria ka misy tranga doro tanety.
Ho an’ny Faritra arovana Ambohitantely dia aro afo 70 kilometatra no efa tafapetraka izay niarahana tamin’ireo fokonolona manodidina ny faritra arovana. Nisitraka tambin-karama ireo fokonolona nanao ny asa nandritra ny fotoana nametrahana ny aro afo.