FARITRA AROVANA KIRINDY MITEA : NAIDITRA AM-PONJA NY OLONA 3 TRATRA NITRANDRAKA HAZO AN-TSOKOSOKO

FARITRA AROVANA KIRINDY MITEA : NAIDITRA AM-PONJA NY OLONA 3 TRATRA NITRANDRAKA HAZO AN-TSOKOSOKO

▶️ Manamafy ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso ny ala sy ireo faritra arovana eo anivon’ny Faritra Menabe ny DREDD Menabe hisorohana ny fitrandrahana tsy ara-dalana izay mamotika ireo harena voajanahary any an-toerana.

🔴Nandritra ny fitsirihana tampoka niarahan’ny DREDD MENABE sy ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny Faritra arovana Kirindy Mitea dia voasambotra ny olona telo tratra nanapaka hazo an-tsokosoko tao anatin’ny Faritra arovana. Olona roa hafa ihany koa no nosamborina tao an-tapon-tananan’i Morondava rehefa nahatrarana hazo roa sarety tsy ara-dalana.

✅ Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona dimy tratra ireo taorian’ny nanolorana azy ny fitsarana.

🌳Ny faritra arovana Kirindy Mitea dia isan’ireo faritra arovana mampiavaka an’i Madagasikara. Mitahiry karazanjavamananaina maro isan-karazany izay sokajiana ho « Biodiversité exceptionnelle », ary ny ankamaroany dia tsy fahita raha tsy eto amintsika.

⛔ Melohin’ny Lalàna ny fitrandrahana harena voajanahary anaty Faritra Arovana sy ny fitrandrahana vokatry ny ala tsy nahazoana alalana.

Evenements

Thématiques
<