โ Ny ala velona no antoky ny ankehitriny sy ny hoavyโ
Tontosa soamatsara ny faha 09 Mey taona 2025 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fikarakarana sy fikolokoloana ary fanarahamaso ny zanakazo tato amin’ny faritra MENABE.
Tato amin’ny ยซย site de reboisementย ยป Mangily,FKT Antalitokana, Cr Bemanonga district Morondava no nanatanterahana an’izany.
Fambolenkazo natao tamin’ny taona 2023-2024 no nanokafana ny fanombohana ny fikarakarahana ny zanakazo. Ka nandritr’izany dia ny fanadiovana isam-pototra sy fanaovana tatak’afo no natao ka 10ha no vita dio Ary tatak’afo120 metatra no vita . Hita nandritran’izany fa 85% ny taham- pahavelomana ny zanakazo.
Tonga nanatrika izany ny Solotenam-panjakana rehetra aty sy lehiben’ny sampandraharaha izay eto an-toerana.