📍𝘈𝘮𝘣𝘰𝘷𝘰𝘮𝘣𝘦 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘰𝘺, 📆6 𝘥𝘦𝘴𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025
🌿🌱Anisan’ny asa tanterahin’ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗜𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 (#MEDD) ao anatin’ny 𝗧𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 #𝗠𝗶𝗼𝗻𝗷𝗼 ny fanarenana ny tontolo iainana any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy entina miatrika sy manena ny vokadratsy ateraky ny fiovan’ny toetrandro.
🌿🌵Nitsidika ny 𝘁𝗮𝗻𝗶𝗻-𝗷𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘇𝗼 napetraka ao amin’ny 𝗙𝗼𝗸𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗙𝗼𝗸𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗠𝗶𝘁𝘀𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗜𝗜 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗼𝘃𝗼𝗺𝗯𝗲, Andriamatoa Minisitra 𝗠𝗮𝗻𝗲𝘀𝗶𝗺𝗮𝗻𝗮 𝗥𝗮𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗮𝗲̈𝗹 nandritra ny fandalovany tao amin’ny 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 #𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼𝘆.
🌵🌱Mandray anjara betsaka amin’ny asa fanarenana ny ala sy ny ady amin’ny tiomena izay mamotika ny fambolena ary manome asa ny mponina eny ifotony ny fametrahana ity 𝘁𝗮𝗻𝗶𝗻-𝗷𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗶𝗿𝗲𝗳𝘆 𝟬,𝟮𝗛𝗮 ao Mitsangana II ity, izay iarahana amin’ny Tetikasa #Mionjo sy ny #CRS.
🌱🌱Zanakazo 𝗙𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬 𝟭𝟳𝟵, 𝗕𝗮𝗶𝗲 𝗿𝗼𝘀𝗲 𝟯𝟵 𝟵𝟰𝟴, 𝗙𝗶𝗹𝗮𝗼 𝟮𝟳 𝟭𝟳𝟭 no vokarina ao ary miteraka asa 50 ho an’ny mponina eo anivon’ny Fokontany izany satria dia miara-miasa amin’ny tetikasa izy ireo amin’ny famokatana ireo zanakazo ireo.
Date de publication : 8 décembre 2025

Suivre d'autres actualités