📍𝘈𝘯𝘵𝘴𝘰𝘩𝘪𝘩𝘺, 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘚𝘰𝘧𝘪𝘢 – 13 𝘴𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025
🌳 Fiarovana ny tontolo iainana sy fametrahana fandrosoana eny ifotony. Io no tarigetra entina manatanteraka ny Tetikasa #MAHONKÔ izay iarahan’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD) sy ny orinasa #Bôndy. Fanarenana ala honko amina faritra maro eto Madagasikara no tanterahina ao anatin’izany izay mampandray anjara tanteraka ny mponina eny ifotony.
🌿 Ao anatin’ny fanatanterahan’ny orinasa 𝗕𝗼̂𝗻𝗱𝘆 ny tamberin’andraikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ao anatin’ny tetikasa #MAHONKÔ, miaraka amin’ny #𝗗𝗥𝗘𝗗𝗗𝗦𝗼𝗳𝗶𝗮 sy ny 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗦𝗼𝗳𝗶𝗮 dia nisitraka 𝗷𝗶𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗲𝗵𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗼𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 (𝗟𝗮𝗺𝗽𝗮𝗱𝗮𝗶𝗿𝗲) 𝗺𝗶𝘀𝗮 𝟵𝟬 ireo kaominina miisa 10 amin’ny sisin-dranomasina ao amin’ny Distrika miisa 3 ao amin’ny Faritra Sofia :
📍Antsohihy : Ambodimandresy, Ambodimadiro, Ankerika, Antsohihy
📍 Analalava : Analalava, Befotaka Nord, Ambarjeby Sud, Antonibe
📍 Port Bergé : Tsiningia, Tsinjomitondraka
🌳 Izao ezaka izao dia fankasitrahana ny ezaka ataon’ny mponina amin’ny fiarovana ny ala honko. Sisin-dranomasina mirefy 672ha ankehitriny no ahitana ala honko ao amin’ny faritra Sofia vokatry ny ezaka amin’ny fanarenana ny ala honko ao an-toerana.
Date de publication : 18 septembre 2025

Suivre d'autres actualités